4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Arovy aho - Zicoast Rajosiahna

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho

Ny fahotako izay vitako teo anatrehanao

Aza tsarovanao intsony

Fa Inty aho manolon-tena ho anao mandrakizay



Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah

Fa ianao no hany tokana mpamonjy ahy

Tsy hana-java mahahory aho satria miaraka Aminao

Reo satana zay fahavaloko tsisy ahasakana Ahy



K'ity aho manolo-tena ho anao

Ianao lay zanaky ny avo indrindra a

Izay nisolo ny heloko ka namoy ny ainao ho ahy

Ka tsy mba menatra aho,

Na hanana ahiahy hanambara lay fitiavanao



Ambarako amin'izao tontolo izao

Fa Ianao lay Mpamonjy

Ary fitiavana tsy mba miavona am-po

Fa miantso sy manavotra tokoa



Aut/comp: Liva RAKOTOMALALA

Chanteur: Zicoast Rajosiahna

Choeurs : Vonjy Josia, Hery Josia, Norbert Josia, Felana, Sariaka

Partager arovy aho

Commenter arovy aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zicoast Rajosiahna